Notanterahina teny amin’ny Kianja Mandriamena, ny sabotsy lasa teo, ny famaranana ny baolina kitra «Tournoi Inter-associatif», nokarakarain’ny tetikasa Sandratra. Niavaka ny tamin’ity andiany fahadimy ity satria nomena sehatra ny tovovavy. 12 ireo fikambanana mitaiza sy manabe ireo ankizy tsy misy mpiahy nandray anjara. Nahitana ekipa 54 tamin’ny sokajy Poussin, Benjamin, Cadet, Junior, lahy sy vavy. Tanjona, hoy Rajaona Miary Nantenaina, mpandrindra ny tetikasa Sandratra, ny hampiray ny ankizy sy ny fifandraisana eo amin’ny samy beazina ary ireo mpanabe sy beazina ka nitondrana lesona sy fampianarana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena. Eo koa ny resaka miralenta ka nezahina ho foanana ao an-tsain’izy ireo ny filazana misy zavatra ho an’ny lahy sy ho an’ny vavy fa mitovy avokoa. Nisitraka izany ireo ankizy miaina an-dalambe (ESR), ny ankizy miady amin’ny lalàna (ECL), ny ankizy marefo ary ireo kamboty. Misahana ireo olona ivelan’ny rafitra ary manolotra asa fototra, toy ny fahasalamana, sy ny fanoroana azy ireo ny fototra maha olona koa ny tetikasa Sandratra. Vatsian’ny AFD sy ny DCI Monaco moa izy ity. Fikambanana efatra no mampihodina, ahitana ny Graine de bitume, ny ONG Manda, ny ONG Manarintsoa ary ny Energie Andavamamba.
Tompondaka




