Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny kaomity mpikarakara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nilaza ity farany tamin’ny fanambarana izay nataony, tao amin’ny foiben’ny kaomity, ao amin’ny Kianja Barea, fa efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana.
“Efa tonga teto ny iraky ny Sadc nijery ny fanomanana rehetra ka hita fa efa milamina izany”, hoy izy.
Teny an-toerana, nitondra ny fifampizarana ihany koa ny minisitry ny Fampianarana ambony, Loulla Chaminah, sy ny minisitry ny Serasera, Volamiranty Mara Donna. Ireto farany izay samy nanome ny antsipirihan’ny hetsika rehetra, toy ny kaonferansy ho an’ny daholobe eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny hetsika mahakasika ny varotra sy ny indostria, manginy fotsiny ny fifanakalozana momba ny kolontsaina.
Nanamafy ny rehetra izay nandray anjara fa zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy ny fivoriambe tahaka izao. Porofon’izany ny fihazakazahan’ireo mpanohana toy ny Sinoa, Japoney, ny Amerikanina, ny mpandraharaha eto an-toerana.
Tsiahivina fa hodinihina mandritra ny fivoriana ny sehatry ny fambolena, ny angovo, ny varotra, ny filaminana ary koa ny vehivavy sy tanora. Eo koa ny fotodrafitrasa sy ny fifamezivezena.
Synèse R.




