Raharaham-pirenena : Fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana

Hatramin’izao ary na aiza na aiza, saika ifandroritana mandrakariva ny amin’ny hoe Fanjakana: ino­na, hanao inona… ? Tsy inona fa antoko politika mitazona ampihimamba amin’ny fampiasana ara-dalàna ny herisetra ny Fanjakana. Andrana fa­makafakana…

Manondro fikambanana iray manana fahefana amin’ny mponina mi­toetra ao amin’ny faritany iray voafaritra ny Fanjakana ara-politika. Misongadina amin’izany ny fisian’ny hoe herim-ba­hoaka na herim-panjakana: Ta­fika, polisy, fitsarana. Eo koa ny fahefana manangana sy mam­pihatra lalàna. Manana endrika samihafa ny Fanja­kana: demokraty na jadona, tokana na federaly… Mety hiovaova ny firotsahany amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy.
Ara-pandaminana, endriky ny fikambanana foibe ampiasain’ny fiarahamonina iray hi­tantana sy hifehy azy ny Fan­jakana. Ny famaritan’ny mpahay fiarahamonina, i Max Weber, no be mpampiasa ny amin’izay lafiny izay: antoko politika mitazona ampihimamba amin’ny fampiasana ara-da­làna ny herisetra ny Fanja­kana. Fampiasana Tafika sy po­lisy ary fitsarana izany. Miara-dalana amin’izany ny fanaovana sy fampiharana lalàna. “Raha mbola misy ny Fanjakana dia tsy misy fahalalahana; rehefa manjaka ny fahafahana dia tsy hisy Fan­jakana intsony”, hoy i Lénine izay.
Eo amin’ny sehatry ny andrimpanjakana, azo raisina ho toy ny fahefam-panjakana sy faneriterena iombonana izay ananan’ny firenena amin’ny olom-pirenena sy ny isam-batan’olona ny Fanjaka­na. Mba hahazoana antoka fa manjaka ny antsoina hoe tombontsoan’ny besinimaro ny Fanjakana amin’izay. Miaraka amin’izany ny etika amin’ny soa ho an’ny vahoaka na ny soa iombonana.

????????????????????????????????????

Nivoatra ny endri-panjakana
Rehefa nandeha ny fotoana, nisy endri-panjakana isan-karazany nivoatra. Nanama­rina ny fisiany tamin’ny fomba samihafa izany : zo avy amin’ Andriamanitra, ohatra, ny fitantanana Fanjakana na ny Fanjakana. Eo koa ny petra-kevitra hoe fifanarahana sosialy ny Fanjakana. Miasa amin’ny fomba samihafa izany rehetra izany. Amin’izao fotoana izao, ny fanjakana-firenena maoderina no endrika lehibe indrindra amin’ny Fanjakana, fa tsy mitovy amin’ny Fanja­kana ny firenena. Mamaritra ny Fanjakana manjaka toy ny vondron-tany voaorina ny lalàna iraisam-pirenena, izay mi­hatra amin’ny mponina maharitra ny lalàna ao aminy. Ahitana andrimpanjakana izay ampiharana ny fahefana sy ny fahefana manan-kery izany.
Ny fanjakana ilazana governemanta sy firenena ary fiandrianam-pirenena
Azo avahana amin’ny governemanta ny Fanjakana. Ny Fanjakana no fikambanana, raha vondron’olona manokana na biraom-pitantanana izay mifehy ny fitaovan’ny Fanjakana amin’ny fotoana iray kosa ny governemanta. Ny governemanta no fomba ampiasana ny fahefam-panjakana. Amin’izany, mampiasa governemanta samy hafa mifandimby ny Fanjakana. Zavatra ara-tsosialy tsy azo tsapain-tanana sy tsy ara-batana ny Fanjakana, fa vondron’olona manana fahefana manery kosa ny governemanta. Ahit­ana vondron’olona manokana sy manana tombontsoa ny governemanta tsirairay nifandimby, izay manao ampihimamba ny fanapahan-kevitra politika ary sarahin’ny sata sy ny fandaminana amin’ny va­hoaka amin’ny ankapobeny.
Azo avahana amin’ny foto-kevitra hoe “firenena” koa ny Fanjakana, izay manondro ny fiarahamonina ara-kolontsaina sy ara-politikan’ny olona amina tany na firenena iray voafaritra. Manondro toe-javatra izay misy foko tokana na iray fiaviana mifandray amin’ny Fanj­akana iray manokana ny fanjakana-firenena amin’izany, ara­ka ny fijerin’ny mpandinika sasany.
Zo manokana ampiasana fahefana ara-politika amin’ny faritra ara-jeografika iray kosa ny fiandrianam-pirenena. Fa­maritana na hevitra saro-takarina izany, izay azo dinihina amin’ny fomba fijery ara-tsosialy sy ara-dalàna. Ny lalàna iraisam-pirenena dia manome fepetra hanekena ny fanjakana ho toy ny fiorenana na fisiana manokana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miresaka momba ny fanjakana manjaka koa izay. Noho izany, ny Fan­jakana manjaka dia fikambanana ara-politika manana fahefana faratampony sy mahaleo tena amin’ny faritany voafaritra ary eken’ny Fanjakana hafa.

Fitaovana politika sy fitantanana ny Fanjakana
Tantanin’ny mpitondra voafidy sy ny mpiasam-panjakana ny Fanjakana, izay midika fa sady ara-pitantanana no ara-politika ny Fanjakana. Misy fizarana asa sosialy eo amin’ireo sokajina mpiasa roa ireo. Amin’ny ankapobeny, ahitana izay nofaritan’i John Locke ho governemanta sivily, ohatra, ny Fanjakana. Sampana mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary fitsarana mbamin’ny fitaovana ara-miaramila sy fitantanan-draharaha iray manontolo izany: mpitandro filaminana sy fitantanana. Andrimpanjakana mifandray tsy tapaka ny Fanjakana, samy manana kolontsaina miavaka, izany hoe, tontolo misy dikany sy fomba fanao samihafa. Sady tsy iray no tsy mitambatra àry ny fanjakana raha izany. Sehatra iray ahitana kolontsaina sy lojikan’ny andrimpanjakana indraindray mivelatra sy miara-miaina koa.

Ny fanjakana sy ny fiharian-karena
Nanomboka tamin’ny taonjato faha-XX, nitombo tsikelikely ny Fanjakana. Ny anjaran’ny Fanjakana eo amin’ny toekarena ny fanjakana-zandary, izay tsy nanao afa-tsy ny fitsarana tamin’ny alalan’ny mpitandro filaminana sy ny Tafika, dia nosoloina ilay hevitra hoe fanjakana fiahiana. Voaavaka tamin’izany koa ny hoe fanjakana liberaly sy ny sosialy-liberaly, ohatra. Nifindra avy amin’ny fanjakana fampiharana ny filaminana amin’ny alalan’ny polisy sy ny Tafika ary ny rafi-pitsarana mankany amin’ny fanjakana ara-tsosialy izany. Tsy inona fa fampiraisana ny firenena amin’ny fanabeazana ho an’ny daholobe, ohatra.
Amin’izao fotoana izao, mety ho nifindra tany amin’ny Fanjakana mpanentana ara-toekarena: fanohanana amin’ny sehatry ny toekarena amin’ny alalan’ny hevitra hoe mampitombo, ohatra amin’ny alalan’ny politikan’ny asa lehibe.

R. Nd.

Partager sur: