Sady madio no salama

 

Raikitra izy ity! Afaka efatra herinandro dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Sadc, izay hampiantranoin’i Madagasikara. Efa miha tomombana tsikelikely ny fanomanana. Anatin’ny fametrapetrahana faramparany ny komity mpikarakara. Ny mpiara-miombon’antoka raheto manao ranolava. Tsy misy diso anjara amin’ny fandraisana andraikitra ny manampahefana isan-tsokajiny.
Manoloana izany indrindra, hiverina indray, manomboka izao, ny fanadiovana faobe ny tanàna. Hidina an-tsehatra indray hatramin’ny be voninahitra indrindra, miaraka amin’ny mpiasam-panjakana madinika. Tsy sanatrian’ny vava, vonjitavanandro fa mahafinaritra kosa ny mahita ilay tanàna milamina sy madio. Mainka fa hatao anatin’ny firaisankina sy firaisan-tsaina ny asa sosialy.
Iaraha-mahalala rahateo fa ny filohan’ny Repoblika malagasy no filoha mpitarika ity vondron’ny Firenena aty atsimon’i Afrika ity. Mazava ho azy fa mandritra ny herintaona dia ho maromaro ny fivoriana iraisam-pirenena horaisina. Tsy hijanona ho an’ny Renivohitra irery akory izany fa hisitraka ny vokatsoa hatrany amin’ny faritra.
Mitaky ny fanamafisana ny fanajana ireo soatoavina malagasy, ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Mila ny firaisan-tsaina sy ny fiombonam-po amin’ny fanandratana ny voninahi-pirenena. Tsy vaninandron’ny fanaovana volo mpanoha randrana intsony izao. Na vanim-potoana hialangalanana. Ny fiaraha-mientana no ahavitan-javatra tsara.
Averimberina matetika fa misy lalantsaina goavana ao ambadiky ny famafana arabe ireny. Tsy sanatrian’ny vava ho fiatsarambelatsihy araka ny tenin’ny mpanatsatso. Fitaizana ny olom-pirenena hanam-piniavana hanadio ny manodidina azy amin’ny vanim-potoana rehetra. Fanentanana ny tsirairay tsy hiandry ny hafa vao hahalala madio.
Natao ny hetsika mba ho fifanabeazana amin’ny fahatsapan-tena sy ny fitiavana mamita adidy. Mba samy ho tia tena amin-javatra tsara sy mitondra soa. Ny fahadiovan’ny tanàna rahateo mitondra fahasalamana.

r.r

Partager sur: