Tsy afaka handray anjara amin’ny “Grand Slam”hatao any Mongolie manomboka ny 25 jolay izao, ny malagasy mpikatroka, Rasoanaivo Razafy Laura. Nambarany fa noho ny olana eo amin’ny sidina no anton’izao tsy fahafahany mihazo an’i Mongolie izao. Tsy afaka miatrika ilay fiofanana ny 28,29,30 jolay izao ihany koa izy.
Milamina ny fandraisan’ny tananan’i Mahajanga ny fifaninanam -pirenena Asief 2025, hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra izao, araka ny fifampiresahan’ny mpitantana ny Asief sy ireo Olobe tany an-toerana. Hatao ny 1 aogositra ny lanonana fanokafana.
Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotra-serasera, maro amin’ireo mpilalaon’ny Real Madrid, espaniola, mikasa haka ilay laharana faha-10 taorian’ny fialan’i Modric, tao amin’ity ekipa espaniola iray ity. Mandeha ny resaka fa mety i Kylian Mbappé, teratany frantsay, hahazo izany laharana faha-10 ny Real Madrid izany.




