Barea Chan: Tsy mbola nivoaka ny lisitra

Misy afenina ve sa paikady indray? Tsy mbola nivoaka omaly indray ny lisitry ny Barea A’, izay hiatrika ny “Chan 2024”, hotontosaina any Tanzanie, Kenya ary Ouganda, ny 2-30 aogositra ho avy izao. Hatramin’ny omaly alina izay na­noratanay, tsy mbola nivoaka tao anatin’ny pejin’ny Fe­dera­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) indray ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy.
Raha tsiahivina moa, afakomaly no tokony ho efa nalefa tany amin’ny Caf ny anaran’ireo mpilalao hiatrika ity fifaninanana afrikanina ity. Mametra-panontaniana ny maro ny zava-misy hoe: “Raha efa lasa any ny lisitra, maninona no tsy havoaka?”.
Efa nihena moa ny mpilalao niatrika fanazarantena teny an-toerana, fa tsy 42 intsony, araka ny filazan’ireo loharanom-baovao. Ankoatra izay, tsara ihany ny mampahatsiahy fa ekipam-pirenena ilay resahana eto, ary zon’ny Malagasy maro ny mahafantatra ireo Malagasy mpilalao mpiray tanindrazana aminy hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifanintsanana ity. Raha ny any ivelany, havoaka ho hitan’ny rehetra ny lisitr’ireo mpilalao nantsoina handrafitra ny ekipam-pirenena.
Ampahafantarina ihany fa iray vondrona “B”, misy ny Ma­lagasy, i Centrafrique, i Mauritanie, i Tanzanie, ary i Burkina Faso.

Fitia Randria

Partager sur: