FANTINA sy FINTINA

Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotan­terahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza.
Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana ny fivorian’ny Sadc izao. Nambarany fa tokony hiray fo amin’izany fanatanterahana fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc eto Madagasikara ny vahoaka malagasy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna
Nambaran’ny mpanolotsaina Tim, Clemence Raharinirina, fa nanolotra mpisolovava hanampy ny fianakavian’ireo mana-manjo sy manana ny marary noho ny raharaha Ambohimalaza izy ireo. “Mpisolo­vava henjana sady tsy manaiky lembenana no natolotray satria tsy mora io raharaha Ambohimalaza io”, hoy izy.
Naniraka ny fitaleavan’ny asa sosialy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika any Antsirabe, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, taorian’ny fahamaizan’ny tsena Sabotsy. Nahazo fanampiana ireo mpivarotra miisa ny 2 000. Anisan’izany ny vary 31t, voamaina 3t, siramamy, savony ary paty…

Partager sur: