Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”

“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, oma­ly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Tsy azo ahiahiana eo am-panatanterahana ny andraikitra ara-dalàna maha mpanao gazety azy izy. Manan-jo hahazo loharanom-baovao rehetra ny mpanao gazety. Anisan’izany ireo angona sy antontanisa.
Noho izany, mitaky ny fahalalahana miditra amin’ny loharanom-baovao rehetra sy ny zo hanao fanadihadiana malalaka momba ny zava-misy iankinan’ny fiainam-bahoaka izy. Zony ny fahalalahana miditra amin’ny loharanom-baovao rehetra, rehefa manao fanadihadiana malalaka momba ny zava-misy iankinan’ny fiainam-bahoaka. Ao anatin’izany ny tranga teny Ambohimalaza. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, nilaza hihaona amin’ ny mpanao gazety. Andra­sana izay. Manampy amin’ny ho fampahasitrahana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao ny mpanao gazety. Manampy koa amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Sanatria, tsy hoe fahavalon’
iza na iza ny mpanao gazety, na amin’ny haino aman-jery inona na inona no iasany.
Mamoaka ny vaovao marina sy voamarina ary voalanjalanja ho amin’ny fiainam-bahoaka sy ny tombontsoam-bahoaka ny mpanao gazety. Voararan’ny lalàna ny fanidina loharanom-baovao. Mitaky sy mangataka amin’ny tomponandraikitra rehetra isan-tsokajiny voakasika mba hamela ny mpanao gazety hiasa ma­lalaka fa tsy fahavalo.

R. Nd.

Partager sur: