Karate-Tompondakan’i Afrika: Hanomboka anio ny fifaninanana, vonona ny Malagasy

Hanomboka anio, any Abuja Nizeria, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Karate, sokajy Junior, Cadet ary Senior. Naneho ny fahavononany ny solontena ma­lagasy ary efa vita omaly ny filanjana sy ny antsapaka, ka hiditra avy hatrany amin’ny fifaninanana izy ireo ho amin’ny anio. Vita omaly ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpanazatra ka anisan’ny niatrika izany ny Malagasy mpanazatra, Ratsoramanana Tanjona. Ankoatra izay, fotoana lehibe ho an’ny taranja karate eto Afrika ihany koa tamin’ny talata lasa teo, izay nahavitan’ny fifidianana teo anivon’ny Ufak (Union of African Karate Fe­deration). Lany ho filoha i Sou­leymane Gaye. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fivoriambe sy ny fifidianana i Ma­dagasikara, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Federation Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile.
Tohin’ny fandaharam-potoana, hanomboka anio ny fifaninanana ka hiakatra tatami voalohany ny sokajy Cadet Kata “individuel”, lahy sy vavy. Hitohy amin’ny Junior Kata “équipe” sy Cadet Kumite “in­dividuel”, lahy sy vavy, izany aorian’izay. Avy hatrany dia miroso amin’ny famaranana ny fifaninanana ny tapany hariva ho an’ireo sokajy ireo. Ny fifaninanana eo amin’ny Junior Kata “individuel”, lahy sy vavy, ary ny Junior Kumite, lahy sy vavy, kosa no hatao rahampitso sabotsy 25 jolay. Ny alahady 26 jolay no hiditra an-tsehatra ny sokajy Senior lahy sy vavy, eo amin’ny Kata sy Kumite.

Mi.Raz

Partager sur: