SOMBIM-BAOVAO

Natsahatry ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs tsy hanatanteraka ny asany intsony, ny mpitantana ny ligin’Analamanga. Noho ny fihoaram-pefy nataon’ny ligy no anton’izao, araka ny voarakitra anatin’ny fanambarana ofisialy navoakan’ny FMJE. Efa tafapetraka ihany koa ny « comité ad-hoc » hitantana ny ligy vonjimaika.

Anisan’ireo taranja misy sy mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny Federasionina malagasin’ny bisikileta. Hatramin’ny omaly, tsy nahenoina hetsika na karazana fifaninanana intsony ity taranja iray ity, eny na ny fifaninanam-pirenena aza, tsy mbola hita taratra, tamin’ity taona 2025 ity.

Efa niatrika fanazaran-tena niaraka tamin’ny FC Barcelone, klioba espaniola, nanomboka omaly, i Marcus Rashford, anglisy mpilalao baolina kitra. Tsia­hivina fa mitana ny laharana faha-14 izy. Lohala­harana ny toerana misy azy. Andrasana raha hamokatra ao amin’ity klioba ity indray ny tenany na tsia.

Partager sur: