Tenisy – Amboara Davis : Nandresy an’i Seychelles ny Akomba de Madagascar

Manohy ny diany hatrany ny Akomba de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy ho an’ny sokajy fahadimy. Nahazo fandresena indray i Madagasikara nanoloana an’i Seychelles. Hidona amin’i Cameroun ry zalahy amin’ny andro fahatelo.

Mitohy ny fahombiazan’ ny ekipam-pirenena malagasy, taranja te­nisy, na ny Akomba eo amin’
ny fiadiana ny Amboara Davis, sokajy fahadimy. Fi­hao­nana tanterahina any Ga­borone, Botswana. Omaly, nandritra ny andro faharoa, lavon’ny Akomba tamin’ny isa 3 no ho 0 i Seychelles. Tsy niady mihi­tsy ny fihaonana fa toy ny na­naovan’ny Malagasy fanazarantena fotsiny ny seiseloà.
Tsy nahita fandresena mi­hitsy ireo mpifanandrina ta­min’ ny Akomba na ho an’ny lalaon’ olon-tokana na teo amin’ny olon-droa. Raha hiverenana ny lalao voalohany, lavon-dRako­ton­drasoa Valentin, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0), i Jahlil Mathiot. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy. Nanatombo na teo amin’ny tanjaka na ara-taktika i Valen­tin. Tsy naharitra adiny
iray akory ny lalaon’izy mirahalahy.
Tsy nifanalavitra tamin’izay koa ny fihaonana faharoa ho an’olon-tokana ihany. Mbola tamin’io seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0) io ihany koa no nandavoan-dRaharivony Nicolas an’i Stéphane Hissen-Lee. Tsy nahazo na lalao iray aza ity mpifanandrina taminy ity. Teo dia efa nazava ny fandresen’ny Akomba de Madagas­car. Na izany aza, tsy maintsy nolalaovina ny fihaonana ho an’olon-droa.
Mbola resin’ny Malagasy ihany indray ry zareo, tamin’ io. Niondrika teo anatrehan-dRakotondramanga Antso sy Andriamasilalao Lucas, ta­min’ ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0), i Marcus Maria sy i Kelian Ah-Kon. Hitohy rahampitso ny fi­fanintsanana ka hidona amin’i Cameroun indray ny Akomba de Madagascar. Raha tsiahivina, efa nandresy an’i Soudan, tamin’ny isa 3 no ho 0 ihany koa ny Malagasy, teo amin’ny andro voalohany natao ny alarobia lasa teo.

Tompondaka

Partager sur: