« Chan 2024 » : Tsy mety tafavoaka ny lisitra, ifandroritana ny anarana

Tsy mbola tafavoaka hatramin’izao ny lisitra handrafitra ny Barea Chan. Misy mpilalao tsy niatrika ny dingam-pifantenana izay nataon’ny mpanazatra, miteraka olana.

Tsy hita popoka hatramin’i zao ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja baolina kitra, sokajy A’ na ny Barea Chan. Tsy fantatra mazava ny antony mampitarazoka izany hatreto. Fantatra kosa, nandritra ny fanadihadiana natao, fa mpilalao miisa telo, tsy nanatrika ny dingana nitsapana ny fahaiza-manao no fototry ny olana. Efa manao ny fanazarantena avy hatrany izy ireo na dia tsy tafiditra tamin’ny mpilalao 42 voalohany nisafidianana aza. Voalazan’ny loharanom-baovao fa i Jessy sy i Manda ary i Tsila, mpilalaon’ny Elgeco Plus ireto mety hanatevina ny Barea ireto. Efa nisy tamin’izy ireo aza nanao vaksiny omaly, ahafahana mandeha any ivelany.
Ankoatra izay, miisa 28 izy ireo no hita teny an-kianja. Misy amin’ny mpilalao no tsy mbola anaty lisitra ka nisafidy ny hangina. “Miandry izahay, mbola anatin’ny manao ady sisika ny handehanana », hoy ny mpilalao iray, niatrika fanazarantena teny Mahamasina, omaly. Andrasana ny ho fivoahan’ny lisitra izay efa tapitra ny 23 jolay teo ny fe-potoana farany omen’ny Kaonfedera­sionina afrikanina (Cafà, handefasana ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena.

Tsy ao anaty lisitra
Tsy anisan’ireo handeha hiatrika ny Chan i Dadafara sy i Chritsiano, mpilalaon’ny CFFA, ry Tinoh sy i Donga, Disciples FC. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra dia tsy afaka milalao noho ny ratra izy ireo.
Tsiahivina fa niatrika ny Cosafa farany teo avokoa izy efatra mirahalahy tsy manao Chan ireo.

F. R

Partager sur: