FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny depiote voafidy tao An­ta­nanarivo V, tamin’ny anaran’ny Irmar, Raholdina Naivo, fa tokony hifarana amin’izay ny fanararaotam-paty ataon’ny mpanao politika sasany sy ireo mpamendrofendro ary ireo mpanely vaovao tsy marina momba ny “Raharaha Ambohimalaza”. Malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ny marina no tokony holazaina.

Tsy tokony hisy mpitondra na iray aza alefa hotsaboina any ivelany raha sanatria marary, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika raharaham-pirenena, Ralambomahay Toavina. Satria tsy rariny raha misy olona navela fotsiny tao momba ny “Raharaha Ambohimalaza”. Rehefa nisy maty roa na telo, tokony ho nantsoina hotsaboina avokoa ireo nanatrika fety.

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny delegasionina avy amin’ny Emirà Arabo Mitambatra hanao iraka eto Madagasikara, Dr Abdulmonem Almarzooqi, araka ny fampitam-baovao omaly. Ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria, ny fihaonana.

Partager sur: