Manamafy ny diplaomasia ara-toekarena miaraka amin’i chine i Madagasikara. Fantatra io tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao roa nosoniavina teo amin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny vondrona indostria sinoa Sinomach, teo anatrehan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly.
Fampivoarana ny sehatry ny tsaramaso maitso ny fifanarahana voalohany. Tanjona ny hananganana sehatra iray mitambatra, manomboka amin’ny fambolena ka hatrany amin’ny fanondranana. Ho tombontsoa mivantana ho an’ny Malagasy mpamokatra madinika izany. Mikendry ny hamoronana tambajotran’ny sampandraharaham-pikarakarana ny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ny fifanarahana faharoa. Mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izay. Ny hahatonga an’i Madagasikara ho sompitra aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika.
“Taratry ny diplaomasia ara-toekarena mavitrika ireo fiaraha-miombon’antoka ireo, mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana nasionaly amin’ny fanovana ny fambolena sy ny indostria ary ny fampandrosoana maharitra”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Mifototra amin’ny fomba samy mahazo tombony ny fiaraha-miasa stratejika, mandresy lahatra, mampiditra ny famindrana teknolojia sy ny fiofanana eo an-toerana ary ny andraikitra ara-tsosialy. Dingana vaovao ho amin’ny fampandrosoana ara-pambolena maoderina sy ara-drariny ary manjaka izany, tarihin’ny fiaraha-miasa ara-tantara sy nohavaozina.
R. Nd.




