“Ilaina ny mifampitsinjo, mifanohana, mifampizara. Tsy azoko atao ny tonga eto Maroantsetra, ka tsy hitondra hafaliana amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana”.
Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanomezana vatsy tsinjo ho an’ny mponina any Maroantsetra, Faritra Ambatosoa, omaly. Vary amin’ny gony, voamaina, ronono, savony…. Mila porofoina amin’ny fihetsika ny fitiavana, amin’ny asa, amin’ireo fotodrafitrasa manakaiky sy ilain’ny vahoaka. “Ilaintsika ny mametraka fotodrafitrasa manakaiky sy ilain’ny vahoaka”, hoy izy. Tsy mba nanana hopitaly manara-penitra i Maroantsetra hatramin’izay. Hany ka vao misy fahasarotana ny fitsaboana, tsy maintsy mankany Toamasina na Antananarivo. Fanamby ny hoe tsy maintsy vitaina eo an-toerana ny fandidiana sy fitsaboana. Hotokanana anio izay hopitaly manara-penitra anisan’ny tsara indrindra eto Madagasikara izay. Mampiavaka azy ny fisian’ny “scanner”. I Maroantsetra no distrika manana izany voalohany. Hotokanana anio koa ny kianja manara-penitra, ny biraon’ny distrika, ny tsena…
Hadinon’ny fitondram-panjakana ny ao Maroantsetra hatramin’izay. Miova ny tantara ankehitriny, fa akaikin’ny fon’ny filoha sy tian’ny filoha. Tsy maintsy atao miova Maroantsetra. Hatao tara avokoa ny lalana eo an-tampon-tanàna, handefasana kamiao dimy hanadiovana tanàna… Nisy, ohatra, ny fanampiana 2 900 000 Ar ho an’ny fikambanam-behivavy manao harona, 3 000 000 Ar ho an’ny mpamboly anana, hividianana fitaovana hampitomboana ny vokatra…
Nisy fitokanana “parc solaire” 1,5 MW tao Mananara Avaratra. Tsy ho tapaka intsony ny jiro ao Mananara Avaratra. Zava-dehibe izany. Tokony hotohizana ny hopitaly manara-penitra.
R. Nd.




