Tsara fanombohana, amin’ny ankapobeny, i Madagasikara, nandritra ny andro voalohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, tontosaina any Nizeria. Medaly alimo 2 no azon’ny Malagasy nifaninana omaly. Medaly voalohany norombahin’ny Malagasy ny an-dRakotondrazaka Natanaela, teo amin’ny Kata, sokajy Cadet, lehilahy. Nandrombaka ny medaly alimo ity karatékas malagasy ity rehefa nisongadina nanoloana ny mpifanandrina taminy avy any Kameronina. Mpifaninana avy any Burundi sy avy any Egypte no anisan’ny nifaninana tamin’i Natanaela. Teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo izy no nahazo fandresena ka nahazo ny medaly alimo. Ankoatra an’i Natanaela, nifaninana omaly ihany koa, teo amin’ny sokajy Cadette -47kg, Kumité, ka nahazo ny medaly alimo ihany koa, Rahanitriniaina Sarobidy, rehefa nifanandrina tamin’i Kenya, Egypte ary nandresy 6 no ho 3 ilay teratany Afrikanina Tatsimo. Mbola tsy tapitra hatreo ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara fa hitohy anio sy rahampitso.
Raha ny fandaharam-potoana, ny sokajy Junior indray no hiakatra an-tsehatra anio, ka Malagasy 3 indray no hifaninana. Ahitana an-dRakotondrazaka Tsanta, eo amin’ny Kata lehilahy, Francio Mohamed, Kumité latsaky ny 57 kg ary Ravelonarivo Andhy, eo amin’ny sokajy latsaky ny 53 kg. Hiakatra tatami rahampitso alahady kosa ny sokajy Senior, ahitana an-dRabemanantsoa Fabio Lee (Kata lehilahy), Razafindrakoto Mirantsoa (Kata vehivavy), Rakotobe Fenosoa (-50kg), Andrianavalona Tsiky Mialy (-55kg), Rakotobe Billy (-67kg) ary Rijaharitiana Patrick (-84 kg).
Mi.Raz




