Hisolo tena an’i Madagasikara any Algérie, mandritra ny lalao afrikanina an-tsekoly, taranja Judo, Razakarison Tovohery, sokajy latsaky ny 55 kg. Ity no lalao afrikanina an-tsekoly voalohany ary tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara.
Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Hatao ny maraina ny fifanintsanana ary ny hariva kosa ny famaranana, raha ny fandaharam-potoana voaray nandritra ny fanadihadiana natao omaly.
Tontosa ny alakamisy lasa teo, tao Cluses France, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny «Masters 2025», taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy nahitana an’i Tianakely sy i Balôty ary i Yves Sedrick, izany. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2, ny ekipan’ilay Malagasy Andriantseheno Christian (Racl).




