Tenisy – Amboara Davis: Fandresena fanintelony ho an’i Madagasikara

Mbola nahazo fandresena indray ny Akomba de Mada­gascar, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy. Resin’ny malagasy, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Cameroun omaly ho an’ny vondrona “B”. Lalao notanterahina tao amin’ny kianja National Tennis Centre, tao Gaborone Botswana. Sahirana ny Akomba de Madagascar vao tafavoaka tamin’ity satria efa tany amin’ny lalaon’olon-droa vao nahazo ny fandresena.
Raha hiverenana ny lalao nataon-dry zalahy, teo amin’ny fihaonana voalohany resin’i Okala Hagoua Valentin Bray­an Alexis, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/0) Andriama­silalao Lucas. Ny seta voalohany ihany no mba niady ny fihaonan’izy mirahalahy. Na izany aza, tsy nahazo afa-tsy lalao 2 monja i Lucas, tao anatin’izany. Nandihizan’ilay ka­me­roney kosa nandritry ny seta faharoa. Porofon’izany, tsy nahazo na lalao iray aza i Lucas.
Voaharin-dRako­tondra­manga Antso kosa izany teo amin’ny lalao faharoa. Lavony, tamin’ny seta 2 no ho 1 i Etienne Teboh. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’izy mirahalahy. Lasan’i Antso ny seta voalohany. 6 no ho 0 nisarahan’izy ireo. Nihevitra ny rehetra fa ho mora amin’i Antso ny naka ny seta faharoa saingy nanohitra i Teboh ka lasany izany. 6 no ho 4 nisarahan’ny roa tonta. Teo amin’ny seta fahatelo, nanarina ny fahavoazany i Antso ka lasany, 6 no ho 3. Sahala ny isa teo ka ny lalao ho an’olon-droa no nifampisarahana. Resin’i Antso sy i Valentin, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2 ; 6/1) i Okala Hagoua sy i Noam Hokala.

Tompondaka

Partager sur: