Distrikan’i Maroantsetra : Nahazo kianja roa manara-penitra

Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny Kianja roa manara-penitra, eny an-drenivohitry ny tanàna sy ny ao amin’ny kaominina Anjahana. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, ny hetsika tahaka izao.
Tsara ny mampahafantatra fa zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny Fanatanjahantena ny fahavitan’ny fotodrafitrasa tahaka izao. Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana ny vahoaka marobe nanatrika ny fotoam-pitokanana teny an-toerana, tamin’io fotoana io. Tsara ny mampahalala fa notronin’ny Praimi­nisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy ny minisitrin’ny Tanora st ny Fanatanjahantena (MJS), Moustapha Abdulah Marson, izany. Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ireo loholona sy ny solombavambahoaka ao anatin’ny Faritra Ambatosoa sy Analanjirofo.
Marihina fa ny fotodrafitrasa tahaka izao, ilaina tanteraka amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto Madaga­sikara, ary singa iray hahafahana mandray fifanintsanana iraisam-pirenena maro izany.

Fitia Randria

Partager sur: