Filoha Rajoelina Andry : “Mila mahaleo tena amin’ny fitantanana ny prefektiora”

Notokanana ny sabotsy lasa teo ny birao fiasan’ny Prefektiora, ao amin’ny Faritra Ambatosoa. Nantitranterin’ny Filohan’ny repoblika tamin’ny lahateny nataony fa tokony hahaleo tena ny fitantanana.

“Raha nametraka fa­namby isika, tratra ny tanjona. Satria mila mahaleo tena eo amin’ny fi­tantanana ny eto Maroan­tsetra. Tokony hitondra soa izay”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Re­po­blika, Rajoelina Andry, tany Maroantsetra, Faritra Amba­tosoa, afakomaly, nitokana ny birao fiasan’ny prefet sy na­metrahana ny prefet vaovao hisahana an’i Maroan­tsetra sy Mananara Avaratra, Rabefe­nara Louis Velombita. Hape­traka ao avokoa ny birao rehetra maha Faritra an’Am­­ba­tosoa. I Maro­antsetra no renivohi-paritra. Noho izany, hapetraka ao avokoa ny fotodrafitrasa rehetra. Anisan’ izany ny biraon’ny prefektiora fa tsy distrika intsony. Ny hetra rehetra miditra amin’ny Faritra ma­nom­boka izao hananga­nana fotodrafitrasa eo an-toerana hanasoavana ny mponina. Dingana iray amin’ny fitantanana ma­nakaiky vahoaka sy fitsinjaram-pahefana tena izy izany.
“Amin’ny maha mitoka-monina antsika satria saro-dalana, nezahina hoe ny are­tina rehetra tokony hotiliana sy hitsaboana dia tokony ho vita eto Maroantsetra avokoa”, hoy izy nitokana ny hipotaly manara-penitra. Tsy mila mankany Toamasina na Antananarivo intsony. Misy ny “scanner” raitra dia raitra, ny “générateur d’oxygène”, ny laboratoara fitiliana, ny toeram-pandidiana… Hatao ny fanofanana mpan­didy 30 isan-taona alefa any ivelany. Izay miditra ao amin’ ny hopitaly ka tsy salama ka mila fanasitranana na fandidiana dia mba ho sitrana sy ho velona soa aman-tsara.
“Taloha ny mpitondra manao kabary dia lasa mody, fa izaho kosa mifamatotra sy tsy miala aminareo ary ha­nampy anareo hatramin’ny farany: hanova tanteraka ny tantara sy ny fampandrosoana an’i Maroantsetra”, hoy izy nanolotra ny kianja manara-penitra ao Ambatomasina.

R. Nd.

Partager sur: