“Grand Skate Tour” : Handray anjara i Madagasikara

Nahazo fanasana handray anjara amin’ny “Grand Skate Tour” indray i Madagasikara. Fifaninanana hotontosaina any Rosia ny volana aogositra izao. Rasolofonirina Jean Christ, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Lofo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany amin’ny taranja Skate ity. Ny hitondra amboara hiverina an-tanindrazana no tanjon’i Lofo, raha ny nambarany, na dia somary mafimafy aza ny fifaninanana satria ireo tompondaka maneran-tany sy niatrika ny Lalao Olympika tany Frantsa farany teo no hifanandrina aminy. Fanintelony amin’izao i Ma­dagasikara no nahazo fanasana handray anjara amin’ity hetsika maneran-tany ity.

Toerana iray anisan’ny fanaovan’ny mpiangaly ny taranja Skate fampisehoana ny eny amin’ny Skate Park Antanimena. Niova endrika miloko World Cola ity toerana ity rehefa nisy ny fanavaozana natao taminy mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo ity toerana ity, izay fiaraha-miasa teo amin’ny Okalou sy ny WOCO. Efa mihamahazo vahana sy ankafizin’ny tanora malagasy ny taranja Rider, Roller ary ny Skate ka anisan’ny manamafy izany ny fisian’ny fotodrafitrasa toy izao. Tsiahivina fa ny taona 2015 no nitsangana ny Skate Park ary ny taona 2017 no nandray an-tanana ny fitantanana izany ny Okalou.

Mi.Raz

Partager sur: