Taorian’izay fandresena intelo nisesy nandritra ny fifanintsanana Davis Cup, izay natao tany Botswana, ny herinandro lasa teo. Lavon-dry zareo Botsoaney, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipa nasionaly malagasy ny sabotsy lasa teo, ka tsy hiakatra ao amin’ny vondrona IV.
Mbola mijanona ao amin’ ny vondrona V, indray i Madagasikara, amin’ity fifaninanana hiadiana ny amboaran’i Davis Cup, taranja tenisy ity. Resin-dry zareo Botsoaney, ekipa mpampiatrano, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Akomba, ny afakomaly teo, tamin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana « Playoff ».
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, niondrika teo anatrehan’i Ntungamili Raguin, mpilalaon’i Botswana, seta 2 no ho 0, (6,3/6,2) Andriamasilalao Lucas, teo amin’ny fihaonanana « Simple 2 ». Sahirana tanteraka ity Malagasy ity, ary lalao telo no mba azony teo amin’ny seta voalohany ary zara raha nahita roa kosa, tao anatin’ny seta faharoa.
Nahita fahombiazana ka nahazoan’ny Malagasy isa iray kosa, ny fandresen-dRakotondrasoa Valentin, seta 2 no ho 1, (6,4/4,6/6,3), ilay botsoaney, Denzek Seetso, teo amin’ny lalao iray « Simple 1). Tamin’ny lalaon’ny olon-droa miaraka indray, tsy tafavoaka teo anatrehan’i Mark Nawa sy i Ntungamili Raguin, seta 3/6 6/2 1/6, 1 no ho 2, ireo solontenan’i Madagasikara, Rakotondramanga Antso sy Rakotondrasoa Valentin.
Fandresena telo sy faharesena iray izany, azon’i Madagasikara, tamin’ity fifanintsanana ity. Tsara ny mampatsiahy fa efa lavon’ny Akomba avokoa ny ekipa an’i Cameroun, i Seychelles, i Soudan. Tsara ny mampatsiahy fa fifanintsanana iray efa goavana ny Davis Cup, ary miezaka mamerina ny lazan’i Madagasikara amin’izany ireo Malagasy mpilalao.
Fitia Randria




