Vahoaka tsy adala

 

Tsy misy inona vitan’ny fitondram-panjakana, hono, amin’izao. Izay ny fijerin’ny be tsikera, mpanohitra, mpankahala… Izay atao koa tsy misy dikany, tsy mitondra inona amin’ny fiainam-bahoaka: rendrarendra, fisehosehoana… Tsy atao mahagaga raha ny vava tsy ambina toy izany. Mby amin’ny hoe tsy manao na inona na inona raha tsy te ho voatsikera. Amin’izay, tsy mahazo tsikera afa-tsy tena tsy manao inona. Izany no tadiavin’ny sasany amin’izao. Tsy misy afa-tsy fanenjehana, fankahalana, fanakiviana… Tsy misy izay fanitsiana ahay, sosokevitra… Nefa fampandrosoana no hirahiraina.
Amin’izany rehetra izany, tsy misy miomana sy manomana izay fiatrehana fifidianana manaraka. Lany andro amin’ny fanozongozonana. Izany hatrany no itaizana vahoaka? Tsy mahagaga raha kitsapatsapa hatrany ny fiatrehan’ny sasany ny fifidianana. Lasa fanakorontanana rehefa tsy araka izay iheveran’ny tena. Avy eo, ny vahoaka no omen-tsiny ho diso safidy. Nefa tena ilaina ny mana­jary vahoaka amin’izao fahasahiranana misy sy iainany izao. Mba hifantoka amina foto-kevitra mazava, vinam-piarahamonina, fandaharanasa azo tanterahina… Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’izany…
Vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, fiomanana sy fanomanana ny hoavy. Eny, na tombana ho mbola elaela aza izany. Na ahoana na ahoana, tsy maintsy hisy ary hatrehina ny fifidianana. Izay ihany no ahazoana fanjakana amin’ny fifandimbiasam-pahefana mazava sy milamina. Ny sisa, ady fiady manaraka. Na fanovan-drafitra io, na lalàna, na olona… Miandry an’iza na inona hiova ny tena vao hanova fomba fiady sy fiasa? Izay miova no afa-kanova ny fiainam-bahoaka, ohatra, raha izay no tena maharary amin’izao. Tsy adala akory ny vahoaka, ka tsy hahalala izay mahalala azy.

R. Nd.

Partager sur: