Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy famonoana afo ny fanaovana serasera”

“Ny minisitra isan-tokony lasa mieritreritra fa mpamono afo ny seresera. Ahitsy izay fa tsy izany ny seresera fa zavatra nianarana io, ary atao amin’ny fomba matihanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny Antenimierampi­rene­na, ny depiote Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny resabe mandeha ny amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambo­hi­malaza. Tokony hana­tsara ny fifandraisany amin’ny mpanao gazety sy ny daholobe ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fahefana mpanatanteraka. Mba hisian’ny serasera sy fanazavana ho an’ny vahoaka.
Tsotra ny fomba fiasan’ny mpanao gazety. Manontany minisitra na minisitera izy. Rehefa tsy mamaly izany, tsy maintsy mitady loharanom-baovao hafa izy. Na izay any mpanohitra, izay mazoto miteny hatrany, na any amin’ny fiarahamonina sivily izay mety tsy mitondra afa-tsy fanakianana ny fitondram-panjakana, na any amin’ny karazana tambajotran-tserasera sosialy na tranokalam-pifandraisana samihafa. Amin’izany, mivoaka hatrany ny vaovao. Ny di­kan’izay: anjakan’ny vaovao ivelan’ny loharanom-baovao ofisialy ny serasera eto Mada­ga­sikara. Anisan’ny fanakianana goavana izay. Hita ny tsy fahaizana mifehy ny serasera amin’ny “Raharaha Ambo­himalaza”.
Ankoatra izany: “Omeo izay nianatra ny toeran’ny talen’ny serasera eny anivon’ny minisitera na andrimpanjakana”, hoy izy. Ho an’izay tena mahay sy vonona amin’izay serasera izay izany. Fa tsy hoe mpihira tsy fantatra ary no lasa talen’ny serasera: tsy nianatra na indray maraina ny serasera, tsy nifampiresaka na indray maraina momba ny serasera… Nefa lasa talen’ ny seresera atsy sy eroa.

R. Nd.

Partager sur: