Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. Fikasana ho amin’ny taona ho avy ny hanangana klioba ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona sy latsaky ny 16 taona. Hisy ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana maro kasaina hatao. Tanjona ny hampiakatra ny lenta sy ny haavo teknika eo amin’ny taranja volley-ball, raha ny nambaran’ny mpanorina ny sekoly. Tsy ampy intsony ny fanazarantena fanao isaky ny sabotsy, ka nikarakara fiofanana naharitra herinandro ny sekoly, ny herinandro lasa teo. Teny amin’ny sekoly Notre Dame Antanimena teo aloha no nanaovana izany fiofanana sy fampianarana natokana ho an’ny tanora mpilalao volley izany. Nisy ny fizarana mari-pankasitrahana sy amboara tamin’ny fiafaran’ ny fiofanana. Tonga nanotrona ny hetsika ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball.
Mi.Raz




