Nampiantso ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara.
“Nahazoako nampahatsiahy taminy izany fotoana izany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Malalaka amin’ ny safidy ataony koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, ny amin’ny fampiantsoany ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, Roland Kobia, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Miara-miasa amin’ny firenena maro i Madagasikara amin’izany. Ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny lafiny diplaomasia dia miankina tanteraka amin’ny fiandrianam-pirenena malagasy.
Nampahatsiahiviny ihany koa fa zava-dehibe ny fitandroana ny fifanajana eo amin’ ny fifandrasain’ny firenena roa tonta, na eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny Vondrona eoropeanina. Noho izany, zava-dehibe ny fitandroana an’izany fifampitokisana izany. Ao anatin’ny fifanajana feno ny fifampiresahana amin’izany. Nohamafisiny fa mitovy avokoa ny fifandraisan’ i Madagasikara amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Tsy tokony hisy ny fampitahana ireo fanampiana avy amin’ireo firenena ivelany.
Tsiahivina fa fanindroany izao ny nisian’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara no tratran’izay fampiantsoan’ny minisitry ny Raraharaham-bahiny malagasy izay. Nilaza ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina fa vonona mandrakariva amin’ny fifampiresahana ao anatin’ny fanajana ny fiandrianam-pirenena.
R. Nd.




