SOMBIM-BAOVAO

Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki.

Nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fivoriambe ara-potoana Fiba Afrika, natao tany Côte d’Ivoire, ny 25 jolay lasa teo, ny sekretera jeneraly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ralalaharison Tsiry Colombe. Firenena 46 amin’ireo 56 manerana an’i Afrika no tonga nanatrika ity fivoriambe ity.

Hitantara mivantana ny lalaon’ny “Chan 2024”, amin’ireo fihaonan’ny Barea A’, amin’ny haino vaky jery, indray Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea A teo aloha, izay niatrika ny “Can 2019”. Tsiahivina fa efa nitantara ny lalaon’ny Barea ny tenany, nandritra ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie, ny taona 2023 lasa teo.

Partager sur: