Nanatanteraka fanadinana hahafahana mampiakatra grady ireo mpikatroka eo anivon’ny kaomisonina malagasin’ny Taekwondo ITF, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dojang Tafita Sports-Arts Academy Ambaranjana. Niatrika izany ny mpikatroka 45 mianadahy, manomboka amin’ny tepana mavo hatramin’ny tepana mena hiakatra mainty. Mpikatroka avy eto Analamanga, amin’ny tapany afovoany, moa ireto niatrika fanadinana ireto ary efa nisy ihany koa ny tany amin’ny faritra. Nisahana ny fitsarana ny fanadinana ny Tale teknika nasionaly, SabumNim Rakotoarisoa Tafita sy ny SabumNim Rakotoarisoa Maurice.
Notohizana tamin’ny fizarana mari-piofanana ho an’ireo afa-panadinana nahazo ny tepana mainty tamin’ny 2024 ny fotoana. Teo koa ireo nahavita ny fiofanana « Teaching licence », izay diplaôma hahafahan’ireo manana tepana mainty mampianatra eny anivon’ny klioba.
Mi.Raz




