Baolina kitra – « Sokake Cup 2025 » : Handray anjara ny Hienghène Sport Nouvelle-Calédonie

Hampiantrano lalao iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra i Madagasikara. Fihaonana natokana ho an’ireo kilongakely, lahy sy vavy, latsaky ny 15 taona. Anisan’ireo hifaninana amin’ity ny ekipan’i Hienghène Sport avy any Nouvelle-Calédonie. Hiara-dalana ny fanatanjahantena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Hotanterahina ao amin’ny Kianjaben’i Maha­masina, ny 4 sy 5 aogositra ho avy izao, ny “SOS Sokake Cup”, taranja baolina kitra. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy U15, lahy sy vavy, karakarain’ny Salaman­dra Nature sy ny Y’dago ary ny TSA sy ny Yfomac. Ani­san’ireo ekipa handray anjara amin’izany ny Hienghène Sport avy any Nouvelle-Ca­lédonie. Io no fantatra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpikarakara tetsy Mahama­sina, omaly talata.
Eo amin’ny sokajy lehilahy ihany no handraisan’ny Hien­ghène anjara. Ankoatra azy ireo, hanana solontena telo ny Malagasy dia ny H+ sy ny Hero Foot ary ny ASK Fanan­tenana. Adin’ny samy Mala­gasy kosa ny eo amin’ny vehivavy izay hisy mpandray anjara 6. Manana solontena 3 mifaninana amin’izany ny YFomac, mpikarakara. Eo koa ny Spentana sy ny Kicks FC ary ny OSC Tana.
Hiara-dalana amin’ny fa­natanjahantena ny fanentanana ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana. Araka izany, nampitondraina anarana zavaboahary na biby ireo ekipa tsirairay mifaninana ka Dayu Biik ny an’ny Hienghène Sport. Karazana hazo tsy fahita afa-tsy any amin’izy ireo. Baobab ho an’ny H+, Vontsira ny an’ny Hero Foot ary Rai­lovy ny an’ny ASK Fanan­tenana.
Eo amin’ny vehivavy, Sokake ny an’ny Yfomac 1, raha Tetraka ny Yfomac 2 ary Vanga ny Yfomac 3. Ravinala ny Spentana, Fosa ny Kicks FC ary Vintsy ny OSC Tana. Mifandona avokoa ireo ekipa rehetra ka miatrika ny manasa-dalana avy eo. Haharitra 15 mn indroa miditra ny fifanintsanana ary 20 mn indroa miditra kosa ny dingana famaranana. Tanjon’ny fifaninanana ny fiarovana ireo sokatra sy ireo karazam-biby any Atsi­mo, izay tandindonin-doza.

Tompondaka

Partager sur: