Fanatsarana ny lalàm-pifidianana : Mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni

“Amin’izao fotoana izao, mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fakan-kevitra hanatsarana ny lalàm-pifidianana. Nampaha­fantatra ireo dingana ahazoan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanoloran-kevitra ny Ceni. Nandefasany taratasy misy fafana avokoa ireo mpiantsehatra amin’ny raharaham-pifidianana: mpanao politika, fiarahamonina sivily, tontolon’ny serasera… Raha nofaritana hatramin’ny 20 jolay ny fandraisana izany. Noho ny hamaroana sy ny fangatahan’ireo mpiantsehatra, nahemotra hatramin’ny 25 jolay izany. Tsy maintsy haravona ireo hevitra, hoentina eo anivon’ny Ceni izany eo anatrehan’ireo mpisehatra isan-tokony, mialoha ny fihaonambe atsy ho atsy. Ao anatin’ny fijerena amin’ny antsipiriany an’ireo fafana tolo-kevitra ny Ceni amin’izao. Hampidirina amin’ny rijan-teny hanavaozana sy hanatsarana ny lalam-pifidianana ny tolo-kevitra.
“Misy ny fomba fiasan’ny Ceni hoentina handrafetana ireo tahirin-kevitra rehetra voaray hahazoana manavao ny zotram-pifidianana eto Mada­gasikara”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Ceni, i Fanahimanana Tiaray. Araka ny foto-kevitra ijoroan’ny Ceni, misy hatrany ny fomba fiasa ao anatin’ny fangaraharana. Hisy ny atrikasa isam-paritra hiarahana amin’ireo mpiantsehatra, toy ny antoko politika, fiarahamonina sivily… Aorian’­ izay ny fikaonandoham-pirenena hitondran’ny rehetra ny heviny. Izay no hatolotra ny goverenemanta ho fanajan’ny Ceni ny fahazoany manolotra sosokevitra ny governemanta, rehefa tapitra ny fotoam-pifidianana iray.

R. Nd.

Partager sur: