Ilaina ilay fahasahiana

 

Anatin’ny ady saritaka indray ry valala an-karona amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra intsony hoe iza no manao inona? Na inona no ataon’iza? Misambadidaka ambony ambany ny raharaha. Ny hita sy tsapa aloha dia manaotao fahatany ny sasany. Eo ny mahakasika ilay afera manokana, mainka ny zava-doza ny fiheverana ny Malagasy ho tena donto.
Misesisesy ny fanaovana tsinontsinona ny sarambabem-bahoaka. Tazana ihany koa ny famahanan-dalitra ilay Filohan’ny Repoblika. Tena sahin-dry zalahy ny mandrefy sy manao izay danin’ny kibony amin’ny tsy firaharahana lehibe. Misy aza ny mandainga ankitsirano sy mamadika ny resaka ho raharaham-panjakana noho ny adalany manokana. Vaotery miditra an-tsehatra lava ny “Henjana”.
Na izany aza, tsy hita ny hamaritana hoe hatraiza koa ny tena mampadio an’ireo lehibe isan’ambaratongany? Tsy azo heverina ho tsy voakitika na tsy miray petsapetsa 100% izy ireny. Saro-pady, tena manahirana manko raha ny afera maloto mahavokasika an’ilay tanindrazana malala amin’izao fotoana izao. Tena maharikoriko ny filalaovan’ny mpanao politika ilay izy.
Zava-dehibe ny fandraisana fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fanesorana ilay minisitra iray teo amin’ny toerany. Mila fahasahiana lehibe tokoa ny fanaovana izany amin’izao vanim-potoana izao. Maro loatra ny hodidina lo sy mamotika azy. Tsy tokony hijanona amin’olon-tokana anefa fa miitatra amin’izay fandoto iray tandroka ao.
Tsy maintsy manadio sy mihenjana ny lehiben’ny mpanatanteraka manoloana ny zava-miseho, ankehitriny. Tsy afa-miala fa mifaningotra ny ho filaminana sy fahamarinan-toeran’ny fitondrana “Rajoelina” izany. Soa ihany, anisan’ny tsy mpihinana am-bolony izy, afaka ny manadihady sy mandanjalanja ka tsy mitsoraka be fahatany.

r.r

Partager sur: