Misaona ny tontolon’ny rugby malagasy. Nodimandry ny alatsinainy 28 jolay lasa teo, Randrianarison Rija Patrick Martin (Coach Rija), mpanazatra ny Cosfa. Tampoka ny fahafatesany, raha ny nambaran’ireo olona akaiky azy, satria mbola nijery baolina teny amin’ny Kianja Makis Itompokolahy, ny alahady lasa teo. Raha ny angom-baovao, fianjerana teo amin’ny tohatra no nitarika ny fahafatesany.
Olona nandany ny androny sy ny fahatanorany tamin’ny rugby ny Coach Rija. Aloha ny naha mpanazatra azy, efa mpilalaon’ny FTM Manjakaray izy. Avy eo voaantso miaramila ary nanatevina ny ekipan’ny Cosfa. Taorian’izay, nanao mpanazatra ka nitondra ny ekipan’ny miaramila. Nandrombaka medaly maro sy efa tompondakan’i Madagasikara koa ny tenany. Manana ny diplaoma “niveau 2” ary eo am-panomanana ny “niveau 3” izy izao tojo fahafatesana izao. 47 taona, namela mananontena sy kamboty 7 mianadahy ary zafikely 4. Andrasana eny an-tranony, eny Manjakaray, ny razana mialoha ny handevenana azy ny zoma 1 aogositra ho avy izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny klioba Cosfa ny Gazety Taratra.
Tompondaka




