Efa tonga any Tanzanie, omaly, tamin’ny efatra maraina ny delegasionina Barea de Madagasikara A’, hiatrika ny Chan any Tanzanie, Ouganda ary Kenya, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Ny atoandro teo ihany moa izy ireo dia efa niatrika ny fanazaran-tena. Tsara ny mampahatsiahy fa i Mauritanie no mpifanandrina voalohany amin’i Madagasikara, ny 3 aogositra ho avy izao, ao Dar Es Salam.
Nandao ny klioban’ny Paris Saint Germain Fc (PSG), i Donnaruma, italianina mpiandry harato. Araka ny fikarohana natao, tsy nifanaraka tamin’ny resaka karama ny roa tonta ka voatery niala tao amin’ity klioba ity ny tenany. Tsara ny mampahatsiahy fa i Donnaruma dia anisan’ny ampinga iray lehibe nahazoan’ny PSG ny Ligue des Champions 2025.
Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 10 aogositra izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Ligim-paritra 16 no handray anjara, izay ahitana ekipa lahy 41 sy vehivavy 29, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny kaomisionina teknika misahana ny fifaninanana.




