“Tiako ny manamarika fa ny filohan’ny Repoblika sy ny tenako dia tsy mahalala ny zava-misy”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Tsy inona izay zava-misy izay fa ny amin’ny fanomezana laharana malagasy 5R ny fiaraminidina Boeing 777 miisa dimy lasa any Iran, izay mahasaringotra ny firenena malagasy. Efa mandeha ny dingana mankamin’ny hoe: iza avokoa ny voasaringotra amin’ny raharaha? Misy ireo olona efa fantatra izay anaovana fikarohana. Tsy izay ihany no tokony hanaovana fikarohana, fa mety misy rantsamangaika any. Misy ny olon-dratsy sy mpamitaka mahatonga an’ izao raharaha izao. Izay fitaka izay no anaovana fanadihadiana maro. Mangarahara ny fanjakana malagasy ao anatin’izay, mangataka fanampiana any ivelany. Satria misandrahaka amin’ny firenena maro ny raharaha. Eo ny FBI sy ny OACI amin’ny Amerikanina mba hahazoana manao ny fanadihadiana rehetra. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Interpol. Mba tsy hisian’ny zavatra toy izao intsony eto amin’ny firenena. Olona voafantina ny olona mifandray amintsika amin’ny fampandrosoana eto Madagasikara. “Tsy ekena raha ny firenena malagasy no ampiasain’ny olona amin’ny tambajotra ratsy”, hoy izy.
R. Nd.




