Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara ary niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny ligy. Ady miisa 69 no nitranga nandritra ny iray andro ary “classe A” ny 47 tamin’ireo, izay nahitana katrok’ady matihanina tanteraka. Nahatonga solontena avokoa ny seksionina 4 mandrafitra ny ligy, izay tena mahavelombolo tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, i Sabryse Manirisoa. Tanjona ho an’ny ligy ny mba hampamiratra hatrany ireo mpikaroka avy eto Analamanga amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ary efa noporofoin’izy ireo hatrany izany hatramin’izay.
Tohin’ny fandaharam-potoana, hiatrika fampivondronana avy hatrany ireo mpikatroka mendrika isan-tsokajy tamin’iny fiadiana ny ligin’Analamanga iny. Ho fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara no anton’ity fampivondronana ity. Hisy ny fifaninanana 3 hoavy izay miandry ny ligin’Analamanga amin’ity taranja ity.
Mi.Raz




