Raharaha Boeing 777-200 ER: Nesorin’ny Jly Ravalomanana Richard ilay Indianina mpanolotsainy

Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, omaly, fa nofoanany avy hatrany ny fanendrena ilay Indianina, i Singh Khushwinder, izay voarohirohy sy karohina fatratra momba ny “Raharaha Boeing 777-200 ER“. Nohamafisiny fa tsy mpanolotsaina manokana izy io fa “bénévole” ihany. “Tsy misy zavatra fantatro ireny zava-misy ireny, namita iraka tany ivelany aho. Ny alatsinainy aho vao nahalala ireny resaka mandeha ireny. Avy hatrany ny tenako dia nandray fanapahan-kevitra ny hanala azy”, hoy ny Jly Ravaloma­nana Richard.
Notsiahiviny hatrany fa tsy miara-miasa amin’ny mpanao ratsy ny tenany. Nisy antony manokana nahatonga azy ho mpanolotsaina “bénévole”. Nohamafisiny fa tsy nitady tombony
amin’ny fifandraisana ny tenany na ny ariary aza. Diplaomasia parlemantera no tanjona mba ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Misy ny fanararaotana politika

Nomarihiny koa fa hararaotin’ny mpanohitra avokoa ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena mba hahatrarana ilay tanjona: fambolena korontana hanakanana ny fandraisana ny Sadc eto Madagasikara. Mampalahelo ny zava-misy, tsy misy mihitsy ny fitiavan-tanindrazana avy amin’izy ireo, fa ny fitiavan-tseza no be dia be. “Ranitina sy voizina avokoa ny zava-miseho eto amintsika. Anisan’izany ny Jirama, ny Oniversite, ny tranga fanampoizinana teny Ambohimalaza…”, hoy hatrany ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny Malagasy ny fandraisana izany fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc izany, ka tokony hirehareha ny Malagasy rehetra fa tsy ny fanjakana ihany.

F. R.

Partager sur: