Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tanzanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao.
Nihemotra amin’ny 24 hatramin’ny 28 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, nokasaina hatao ny 13 sy 14 aogositra, noho ny antony tsy voafaritra. Ho ampitaina amin’ny fotoana manaraka ny lafiny teknika ny fandaharam-potoana rehetra.
Hotanterahina ny zoma 1 aogositra izao ny fivoriana ara-teknika, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina ny 2 hatramn’ny 10 aogositra izao, any Antsirabe, izay ahitana fandraisana anjaran’ny faritra 16.




