Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana

Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo.

Nitohy omaly alarobia, ta­ny Lagos Nigeria, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambo­ny latabatra, sokajy Junior. Ny lalao ho an’olon-tokana indray no natrehin’ny mpifaninana ta­min’izany, ka anisan’ireo nandray anjara ny Malagasy. Samy nivoaka ho mpandresy avokoa teo amin’ny fihodinana voalohany Rakotondrazaka Riana sy Andriantahina Tiana, teo amin’ ny sokajy U1,5 vehivavy. Lavon’ i Riana tamin’ny seta mazava 3 no ho 0 (11/7 ; 11/2 ; 11/5), ilay namibianina, i Farmer Caden­ce. Hita nanatombo tamin’ny fa­haizana sy ny hakingana ni­haro hafetsifetsena i Riana na­noloana ity mpifanandrina taminy ity.
Niondrika teo anatrehan’i Tiana tamin’ny seta 3 no ho 0 (11/9 ; 11/5 ; 11/7) ihany koa ilay borondezy, i Nikundana Doree. Niady ny seta voalohany satria nifanenjehana hatrany, saingy nanatombo teo amin’ny lafiny taktika i Tiana. Ho an’ny sokajy U15, lehilahy, samy resy avokoa ireo Mala­ga­sy solontena. Lavon’ilay alzerianina, i Goudjil Aylan, ta­min’ny seta 3 no ho 0 (11/9 ; 11/8 ; 11/7), Ranarison David.
Toy izany koa Andriami­haja Rakotovao raha nidona tamin’ilay egyptianina, i Elsab­bagh Ahmed. 11/5 ; 11/9 ; 11/ 6 no nisarahan’izy mirahalahy. Tsy mbola tafavoaka ihany koa Andriantahina Josh raha nikatroka tamin’ilay Na­mi­bi­ani­na, i Ghayouri Kam­rouz. Nisaraka tamin’ny seta 3 no ho 1 ny roa tonta. Lasan’i Josh ny seta voalohany (11/9). Tsy voatohitra kosa nefa i Kamrouz, teo amin’ireo seta 3 farany. (11/7 ; 11/8 ; 11/8), ni­sarahan’izy ireo. Re­sin’ilay ni­zerianina, i Aruna Mariam, ta­min’ny seta 3 no ho 0 ihany koa Ranarison Fide­rana.

Tompondaka

Partager sur: