Echecs : Mifanenjana ny federasionina sy ny ligin’Analamanga

Samy manana ny fanazavany ny federasionina sy ligin’Analamanga manoloana ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Mihenjan-droa ny tady!

Nitondra fanazavana manoloana ny disadisa misy eo aminy sy ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs, ny alarobia lasa teo, teny Analakely, ny ligin’Analamanga, taranja Echecs. Nambaran’izy ireo ary nohamafisiny fa mijoro ara-dalàna ary mbola am-perinasa ny mpitantana ny ligy ankehitriny. Notsiahivin’ny filohan’ny ligy, Randrianarisoa Jean Mickael, fa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo tamin’ny fivoriambe nataony ny 24 jolay lasa teo, izay nataon’ny FMJE ho toy ny tsy nisy. « Efa nandefasana fanasana ny federasionina fa tsy tonga ary namoaka taratasy avy eo fa tsy ara-dalàna iny fivoriambe nataonay iny », hoy ny nambaran’ity filohan’ny ligy ity. Mbola nanome taratasy ihany koa ny MJS taorian’ny fampiantsoana fifampiresahana teo amin’ny roa tonta fa ara-dalàna ny ligy ary nanome baiko ny hanatanterahina ny fifidianana eo anivon’ny li­gin’Analamanga. Tsiahivina fa fivoriambe amin’ny hananganana izay kaomity hitantana ny fifidianana no notontosain’ny ligy. Nambaran’ny federasionina fa tsy ara-dalàna izy ireo, raha ny fanazavan’ny filohan’ny ligy. Marihina ihany koa fa efa nanangana « comité ad-hoc » ny FMJE hitantana ny ligin’Analamanga ary efa mikarakara ny fifaninanana « championnat de Tanà » izy ireo ny sabotsy izao. Hentitra ny Sekretera jeneralin’ny ligin’Analamanga nanambara fa anjaran’ny ligy irery ihany ny mikarakara fifaninanana ho an’Analamanga ka raha minia manatanteraka io fifaninanana io ny « comité ad-hoc » dia hametraka fitoriana ny ligy.
Tetsy ankilany, nahazoana fanazavana ihany koa ny eo anivon’ny Federasionina ma­hakasika ity olana ity. “Man­dray ny andraikitra manandrify azy, manoloana ny fihoaram-pefy ny federasionina”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FMJE. Raha misy fanovana na fikitiana ny sata tian’ny ligin’Ana­lamanga atao, afaka mifampiresaka tsara ny federasionina ary tsy manisy olana mihitsy, raha ny nambarany hatrany. Nisy ihany koa, hoy ity filohan’ny FMJE ity, ny fampiantsoana natao azy ireo saingy tsy tonga tamin’izany ny ligin’Analamanga. Midika ho tsy fanajana ny rafitra izany ka antony nandraisana fanapahan-kevitra toy ireny. An­dra­sana ny mety ho tohin’ny raharaha !

Mi.Raz

Partager sur: