Hentitra ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ny antsojay mihatra amin’ireo mpanao gazety manao ny asany. Nanterin’ny fanambarana fa mitady hahazo vahana ny herisetra amin’ny mpanao gazety. “Avelao hiasa malalaka izy ireo”, hoy ny OJM. Voatsiahy tamin’izany fa niharan’ny fandrahonana sy fikasihan-tanan’ireo andian’olona ao Benetsy, Ankilimaliniky, Toliara II, ireo mpanao gazety miisa roa. Nankasitrahin’ny Holafitra ny mpitandro filaminana niaro ny ain’izy ireo, nefa na izany aza, nasaina nofafana ny rakitsary azon’izy ireo. “Nanao asa fanangonam-baovao hitatitra ny zava-misy any ireo mpanao gazety”, hoy ny OJM.
Niharan’ny herisetra, fikasihan-tanana ny mpaka sary iray sy mpanao gazety raha nanangonam-baovao tetsy 67Ha, manoloana ny fanorenana tsy ara-dalàna. “Manamafy fa manameloka ny trangana herisetra atao amin’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany izahay”, hoy ny OJM. Mazava ny voalazan’ny lalàna fa iharan’ny fanenjehana sy sazy ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany.
Tsy hipetra-potsiny ny holafitra fa hametraka fitoriana, fiaraha-miasa amin’ny ONG Ilontsera, rehefa avy nifampierana sy nifampiresahana tamin’ireo mpanao gazety niharan’ny herisetra.
Eo koa ny fijerena ny paikady hiarahana amin’ireo mpanao gazety any Toliary, ho fampiharana ilay fomba fiasa “Manadihady, manamarina, fandraisana andraikitra – Mamafa”.
Synèse R.




