« Ma-Hery Futsal » : Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary ny tompondaka

Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, sy eny amin’ny Gymnase Mahama­si­na, ny fifaninanana « Ma-Hery Futsal ». Fifanintsanana izay karakarain’ny Fief Mada ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, omaly, tetsy Ankorondrano, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ariary izay mpandresy amin’ny sokajy lehilahy ary 1 tapitrisa Ariary kosa ny an’ny vehivavy. Oniversite manodidina ny 30 na 40 eo no andrasana amin’ity hetsika ity ary tanjona hapetrak’izy ireo ny hanabeazana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny hampiray azy ireo. Ho hentitra tanteraka ny mpikarakara amin’ny resaka fampiasana olona ivelan’ny fianarana sy ny eo amin’ny fampilalaovana olona efa matihanina na mifanintsana amin’ny fifaninanam-pirenena eto Madagasikara. Nampahafantarin’izy ireo iha­ny koa fa efa misokatra ny fisoratana anarana amin’izao fotoana izao ary ny tapaky ny volana aogositra ho avy io no hifaranan’izany. Ankoatra ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano, hisy koa ny lalao dihy « Dance urban » sy ny « Miss et Mister ». Marihina fa miara-misalahy amin’ity hetsika hataon’ny Fief Mada ity ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ary ny Minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres).

Fitia Randria

Partager sur: