Tsy mora ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’izao? Indrindra ny amin’ny hoe fifampitokisana… Saika isan-tsehatra sy isan’ambaratonga izay. Izay ve, ohatra, no mahatonga ny eny ifotony mampiakatra fitarainana avy hatrany any amin’ny tamponandraikitra na mpitondra ambony amin’izay maharary azy? Tsy hita be ihany ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga sasany hatrany ifotony: tsy misy ve, ohatra, ny tatitra miakatra? Na misy ihany izany fa diso na miova an-dalana noho ny antony tsy mazava. Na misy ny mila ranondranony na misolelaka fotsiny izao dia tsy manao na manova… Tsy mahagaga raha mety any amin’ny tsy izy ny fanapahan-kevitra sasany indraindray? Na tsy araka ny zava-misy marina, na tsy araka ny hetahetan’ny vahoaka ifotony…
Tsy ampy ny tatitra sy ny fifampitokisana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Amin’izany rehetra izany, zava-dehibe ary tena ilaina ny hoe fidinana ifotony. Mby amin’ny hoe tsy hisy distrika hadino. Amin’izay fidinana ifotony avy amin’ny fitondrana foibe izay ve vao hisy ny famahana ny olan’ny vahoaka? Misy angady tsy mahatapaka ahitra any ho any, na miandry baiko, na tsy matoky tena… Dia misy hatrany ny hoe tany lavitra fanjakana foibe? Na ny karazana fanjakazakana, fisiana tsimatimanota… Fadiranovana ny vahoaka. Saika efa mihatra amin’ny aina sy tsy takona afenina izay manjo azy vao ikoropahana itadiavam-bahaolana. Tsy mahagaga raha misy faritra na toerana tratra aoriana amin’ny fampandrosoana.
Ahoana no hisiana tatitra tsy tapaka mandavantaona? Ao anatina fifampitokisana mazava, hiatrehana avy hatrany izay azo atao fa tsy hiandrasana an’iza na inona… Mba tsy hisy mponina hadino na an-jorom-bala…
R. Nd.




