Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio, eny amin’ny “Village touristique” Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny taona 2025. Hitohy avy hatrany amin’ny fivoriana ara-teknika izany aorian’izay.
Nanomboka omaly 31 jolay ary hitohy anio sy rahampitso, any Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, taranja karate. Fifaninanana karakarain’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, miaraka amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony ity fifaninanana efa fanao isan-taona ity.
Navoakan’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny “Chan 2024”, tanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie, ny 2 – 30 aogositra ho avy izao. Efa navoakanay teto anivon’ny Gazety Taratra moa izany lisitra izany, teo ampiangan’ireo Barea nankany Tanzanie. Tsiahivina fa miisa 29 izy ireo no nandeha any an-toerana.




