Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM), tokony hotanterahina manomboka anio zoma 1 ka hatramin’ny alahady 3 aogositra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’olo-tokana, lahy sy vavy. Voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka anefa izany noho ny vesatry ny fikarakaran’ny FSBM ireo ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity. Raha tsiahivina, hiatrika izany ny sokajy vehivavy, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Fifaninanana tanterahina any Douaisis, France. Ankoatra izay, hisy koa ny “Mondiaux” ho an’ny zandriny, Junior, hatao any Santa Susanna Espagne, ny 12 ka hatramin’ny 14 novambra 2025.
Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ireo fihaonana roa goavana ireo ny ekipam-pirenena malagasy ary ao anatin’ny fikarakarana isan-karazany amin’ny fandehanana miatrika izany ihany koa ny federasionina malagasy, ankehitriny. Noho izany, mampahafantatra ireo ligim-paritra sy klioba ary mpilalao ity fihemorana ity ny FSBM.
Tompondaka




