Hifantoka atsy Tanzanie, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra. Hotanterahina any mantsy ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana amin’ny “Chan 2025”. Anisan’izany ny Barea de Madagascar A’, hifanandrina amin’i Mauritanie.
Hanomboka rahampitso alahady ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Ho an’ny sokajy “B” misy ny Barea de Madagascar, any Tanzanie no kianja hiatrehan’izy ireo izany. Hidona voalohany amin’ny Malagasy ny Mourabitounes Mauritanie. Hotanterahina, ao amin’ny Kianja Benjamin Mkapa Stadium ny lalaon’izy ireo, manomboka amin’ny 8 ora alina eto Madagasikara.
Vonona ireo mpilalaon’ny Barea A’ hiatrika izany. Efa any an-toerana nandritra ny herinandro rahateo izy ireo ary efa zatra tsara ny toe-tany. Ao anatin’ny tanjany avokoa izy 29 mirahalahy, amin’izao fotoana izao. Ambony ny toe-tsaina entin’izy ireo. Nambaran’ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), fa tsy misy firenena na iray aza, azo ambaniana na atao tsinontsinona ao anatin’ity vondrona ity. Samy mafy avokoa matoa tafita amin’izao dingana famaranana izao. Ny zava-dehibe, mila maka isa 3 amin’izao lalao voalohany izao, izay raisin’izy ireo ho toy ny famaranana kely mihitsy. Nomarihiny fa tsy misy kajikajy azo atao fa fandresena hatrany no tadiavina.
Tsy ekipa vaovao amin’ny Malagasy akory ny Mourabitounes fa efa indroa nikatroka ny roa tonta. Fihaonana firahalahiana, ka nifangaro tamin’izay ny mpilalao avy eto an-toerana sy ny mpilaravinahitra. Indroa resy ny Barea, tamin’izay.
Raha tsiahivina, fihaonana voalohany ny 14 jona 2019 ka niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Barea ary ny lalao faharoa, ny 14 oktobra 2023 ka resy tamin’ny isa, 3 no ho 1 indray ny Barea. Ity izany no alavela ho an’ny Barea de Madagascar amin’ny fihaonana ofisialy.
Tompondaka




