CSI : “Mila faritana amin’ny lalàna ny kolikolim-pifidianana”

Nitondra tolo-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny eo anivon’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI). Nivoitra tamin’izany ny kolikoly amin’ny fifidianana.

“Rehefa misy mividy olona amin’ny fifidianana na manome vola olona mba hifidy ny tena, mihevitra ny rehetra hoe kolikoly izany. Nefa tsy mbola na­maritra ny lalàna hoe kolikoly izany. Tsy mbola misy famaritan’ny lalàna ny kolikolim-pifidianana amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity mi­tandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean Louis, ni­tondra tolo-kevitra folo hanatsarana ny lalàm-pifidianana teny amin’ny Ceni, Alarobia, omaly. Matetika, ho­soka amin’ny fifidianana ny zava-misy. Mateti-pitranga koa ny fampiasana fitaovam-panjakana. Fandikan-dalàna amin’ny fifidianana izay, nefa tsy azon’ny Bianco ny manao famotorana azy. Rehefa hazavaina izay fa misy ny fandikan-dalàna amin’ ny fanaovana kolikoly izay voa­faritry ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly, azon’ny Bianco anaovana famotorana.

Fividianana vato amin’ny fifidianana
Ny fividianana vato no tena mateti-pitranga amin’ny raharaham-pifidianana: “Ity ny vola dia fidio aho”. Izay matetika no atao hoe kolikoly, mitarika ny CSI hoe: aleo tena ho­lazaina fa kolikoly izay tranga izay. Mba hahazoana manasazy mafimafy kokoa sy ma­nen­jika henjankenjana kokoa izay manao azy. Anisan’ny tolo-kevitra naroson’ny CSI koa ny hanatsarana sy hanamafisana ary hanafainganana ny fomba fitoriana amin’ny raharaham-pifidianana. So­ma­ry manahirana ny olona amin’izao fotoana izao ny fomba ahazoana mitory sy mi­tondra porofo. Eo koa ny fe-potoana itondrana an’izany, izay metetika fohy tsy ahazo­an’ny olona manatanteraka izay angatahina aminy.
Mamaritra, ohatra, ny paikadim-pirenena fa zava-dehibe hotratrarina ny ady amin’ny tsimatimanota. Tanteraka ve izay amin’ny fifidianana ?

R. Nd.

Partager sur: