Notebahin’ny depiote Fidy ny mpanohitra manoloana ny “Raharaha Boeing 777”. Nambarany fa efa voaozona hankahala tsotra izao ny fanoherana na marina aza ny lazaina. “Efa nanambara fa tsy nampahafantatra momba ireo fiaramanidina misy olana ireo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ilay
minisitra. Mazava izany fa tsy misy idiran’izy ireo io”, hoy izy.
Nahitsy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy vitan’ny olona iray ny nampiditra sy nanao hosoka sy nanova ny taratasin’ireny Boeing ireny. “Nisy baiko nidina sy fara-tampony izany. Diso koa ny resaka fa tsy nahalala ireny ny filoha sy ny praiminisitra… Tafiditra tao daholo ireo. Afa-baraka i Madagasikara”, hoy izy, afakomaly, tetsy Anosy.
Hisolo tena ny antoko MMM amin’ny fiofanana iarahana amin’ny Eisa, i Rotsiniaina Herimalala sy Ramboasolofo Anicette. Hiompana amin’ny vehivavy, tanora ary ny haitarika politika ny fiofanana ataon’izy ireo. Tafiditra amin’ny fanomanan’ny MMM taninketsa ho an’ny tanora sy ny vehivavy ho lasa mpitarika amin’ny sehatra politika izany.




