Nambaran’ny tale jeneralin’ny fananantany, Razafindratsimba Vonjy, tetsy Anosy, omaly, fa efa tsy afa-miala amin’ny niomerika amin’ireo antontan-kevitra momba ny fananantany sy ny vaovao momba izany ny fitondram-panjakana ary efa miroso any amin’ny “Digitalisation”. “Efa misitraka izany Antananarivo amin’ny fanomezana anaty minitra vitsy ny Titre sy ny kadasitra ary ny Plan fa tsy miandry andro maromaro intsony”, hoy izy. Efa miasa tahaka izany koa ireo sampandraharahan’ny fananantany ary manamora izany koa ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI), manakaiky ny vahoaka, araka ny nambarany. “Mikarakara ny fanomezana Titre sy karatany izany hiarovana ny fananantany sy hamerenana ny tany amin’ny Malagasy any amin’ireo toerana lavitra”, hoy izy. Nohitsiny fa anisan’ny hiadiana amin’ny hosoka sy ny tsy ara-dalàna ary koa ny kolikoly ny fanaovana ho niomerika miaraka amin’ny teknolojia ny sehatry ny fananantany. “Tsy misy miafina ary mangarahara tanteraka izany, ankoatra ny fandraisana ny fitarainana momba ny olan’ny fananantany”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa niatrika ny fanokafana ny fampahafantarana momba ny fananantany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Lohahevitra ny: «Sehatry ny fananantany amin’ny vanim-potoanan’ny niomerika». Nanamarika izany ny fisafidianana ny lohahevitra mifandraika amin’ny filan’ny toerana hanatanterahana ny hetsika tahaka izao. Hatao manakaiky vahoaka, tahaka ny tsena izany fa tsy voatery any amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ihany. Hampifanarahana amin’ny fotoana mety amin’ny vahoaka koa ny fanatanterahana ny varavarana misokatra tahaka izao.
Synèse R.




