Kevin Nagawa : Hitily mpilalao mandritra ny “Chan” sy ny “CJSOI”

Mandalo eto an-tanindrazana mijery ireo Malagasy mpilalao, i Kevin Nagawa, teratany maorisianina mizaka ny zom-pirenena belza, sady agent an’ny Fifa. Tanjony ny hitondra Malagasy mpilalao any amin’ireo klioba any ivelany, Eoropa nany Afrika Atsimo, na any Chine. Nambarany, afakomaly, tetsy Ankorondrano, fa manana vina izy ny hijery ireo atleta malagasy izay miatrika ny “CJSOI” any Seychelles, ny alahady ho avy izao. Ankoatra izay, hanaraka ny «Chan” ataon’ny Barea A’ koa izy, ary efa misy mpilalao ao an-tsainy hanaovany fifampiresahana raha tsy misy ny fiovana farany. Anisan’izany i Rado, mpilalaon’ny AS Fanalamanga, i Nicolas, Fosa Juniors FC, i Toky, Cosfa ary i Mamisoa, Elgeco Plus. Misy Malagasy mpiandry harato iray ihany koa hojereny mandritra io fifanintsanana afrikanina io. «Manana kalitao sy teknika hafa mihitsy ny Malagasy. Fony aho mbola kely, efa nahita Malagasy kalaza maro nifaninana tao Maurice aho, anisan’izany i Fidy sy Rado Rasoanaivo. Tena nampiaiky ny maro ny haavo teknika ananan’izy ireo», hoy i Kevin Nagawa. Tsara ny mampahafantatra fa efa miara-miasa amin’ireo klioba maro any ivelany izy. Araka ny nambarany ihany, mifampiresaka amin’ny klioba maro ao Bélgique ny tenany.

Fitia Randria

Partager sur: