Masina ny aina  

Mihodina izay tsy izy ny raharaha eto Madagasikara. Indray mipi-maso no namoahan’ny filohan’ny Repoblika fanapahan-kevitra hentitra maromaro. Minisitra voaendaka tamin’ny toerany, raharaha Ambohimalaza voavaha amin’ny ampahany, mpanao hosoka iraisam-pirenena voasambotra anatin’ny 24 ora. Mbola noporofoiny fa haingam-pandeha izy rehefa mandray an-tanana ny raharaha miseho.
Anisan’ny manahirana rahateo amin’ny fitantanana firenena ankehitriny ny fianteherana lava amin’ny Filohan’ny Repoblika. Isak’izay misy zavatra hatao dia tsy misy fiafarany fa mitarika olana hafa hatrany. Ireo voalaza fa ezaka hataon’ny hafa aza no mainka mandentika. Ny ady hamonoana afo, mivadika mikopaka ny azy hiredareda.
Tsy afaka ny hisalovana ity zava-drehetra ity ny Filo­han’ny Repoblika. Matoa nifampizarana ny andraikitra, fa­nomezan-danja ny olom-boatendry ihany koa. Zary mandraraka ilo mby an-doha avokoa ireny olona nomena herijika ireny. Tsy sahy miady na hijoro ho mpiaro ny fitondrana fa mialokaloka ho tsy mpitanila noho ny maha mpiasam-panjakana.
Mahakasika ireo trangam-piarahamonina miseholany etsy sy eroa tato ho ato, tsy hay ny hangina mahita ny fikororosin’ny fifandraisana anatin’ny samy mpanohana fitondrana. Lasa mifanipaka anatiny. Mihevitra ny haka fitia amin’ny Filohan’ny Repoblika, kanefa mandetika azy ankolaka. Ireo karazana ampamoaka miseho heverina hanimba olona iray anefa, mivadika famotehana manontolo iray lehibe.
Politika fampandrosoana no imatimatesan’ny Filoham-pirenena, politikan’ny seza kosa ho an’ny hafa. Seza mitondra fahefana tsy rafesi-mandidy sy tsy azoko resahana. Hany ka misintona mankany amin’ny fahalovana. Tsy ha­nana aim-panahy mandinika sy mitondra amin’ny fanetre-tena ahafahana mandroso.
Lasa ny fitiavan-tena no mahazo vahana, hany ka mivaralila. Ireny Ambohimalaza ireny no ohatra mitohaka amin’ny tenda.  Saingy, misy fetrany foana ny fizahozahoana. Mivadika ho tsiny, mampanetry vintana ilay izy,  misy vidiny rahateo ny Aina.

r.r

Partager sur: